- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025

Tapatapany

# -Andapa : Mpangalatra nidaroka zaza roa zanaky ny tompon-trano. Tranga nampalahelo nahavalalanina ny rehetra no niseho tany Andapa, ny alahady teo. Lehilahy iray no tonga nangataka sakafo tao amin’ny fianakaviana iray, ka rehefa nivoaka avy tao izy dia nodarohany ny zaza roa 4 sy 10 taona izay nihinana lodisia teo an-tokotany, ka naratra mafy. Rehefa nentina teny amin’ny hopitaly ka nialana nenina ireo zaza naratra diavoa mafy vokatry ny vono nihatra taminy ka namoy ny ainy, hoy ny vaovao.
# -Fianarantsoa : Trano iray tsara tarehy nirehitra, zazalahy kely roa taona maty nihotsahan’ny trano. Nitrangana hain-trano nahatsiravina omaly nisandratra andro, tao Ankazondrano Fianarantsoa. Antsasak’adiny mahery taorian’ny firehetana vao tonga ny mpamonjy voina, ka maro tamin’ireo entana tao an-trano no hotohoton’ny afo, ary mafimafy ihany koa ny fahapotehana sy ny fahavoazana tamin’ilay trano. Fa omaly naraimbe kosa mbola tany Fianarantsoa hatrany, dia renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny lahikely telo taona no nihotsahan’ny trano. Namoy ny ainy ilay zaza, ary mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ny reniny, hoy ny vaovao.
# -Miandrivazo: Mpanao vola sandoka telolahy voasambotra. Tovolahy miisa telo tompon’antoka amin’ny fanamboarana sy fanaparitahana vola sandoka no tra-tehaky ny mpitandro filaminana, omaly, tany Miandrivazo. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ireto jiolahy voasambotra ireto aorian’ny fanadihadiana. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny famotorana dia mahavatra mitety tsena sy toerana samihafa mihitsy ireto jiolahy mihaja ka maro no efa lasibatra. Taorian’ny fitarainana nifanesy voarain’ny mpitandro filaminana dia narahi-maso ireo mpibizina vola sandoka. Napetraka ny vela-pandrika ka sarona ireto mpanao heloka be vava, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici