- Publicité -
vendredi, janvier 16, 2026

Tapatapany

# -Fianarantsoa: Vehivavy roa nitondra rongony 30 kg voasambotry ny polisy. Rongony milanja 30 kg mahery no tra-tehaky ny polisy tany Fianarantsoa, afak’omaly. Vehivavy roa tompon’antoka tamin’ity varo-maizina zava-mahadomelina ity no voasambotry ny mpitandro filaminana. Raha ny fantatra araky ny vaovao voaray, dia avy any Ihosy ireo rongony, ary tao anaty fitadiavana mpividy an’ireo jamala tao an-drenivohitry Betsileo izy roa vavy ireto no sarona, noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy.

# – Manaly Amboasary Atsimo : Olona roa maty, omby miisa 31 lasan’ny malaso nirongo basy.  Raha nangingina ny asan-dahalo tany amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra Anosy, taorian’ ireny hetsika “ dahalo niova fo “ ireny, dia niha nahazo laka indray tato ho ato ny halatr’omby arahina vono olona any an-toerana. Afak’omaly, omby miisa 31 no indray lasan’ny dahalo 36 nirongo basy sy lefona ary famaky tany amin’ny Kaominina Mahaly. Niezaka nanohitra tamin’ny fandrobana ny fananany ny Fokonolona sy ireo « Jado » mpiandry tanàna nampian’ny Zandary saingy tsy nahatohitra an’ireo malaso. Tao anatin’ny fanarahan-dia dia raikitra ny fifandonana, olona roa maty lavon’ny bala, ka dahalo ny iray.

# – Ambatofinandrahana : Dahalo maherin’ny 40 nandravarava tao Amborompotsy, olon-tsotra roa maty, omby zato mahery voaroba. Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika namoizana ain’olona indray tany amin’ny distrikan’ Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, afak’omaly. Dahalo maherin’ny efapolo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika tao an- tanànan’Amborompotsy, ka lasan’ny malaso tamin’ izany ny omby zato mahery tao amin’ity tanàna ity. Tsy vitany nangorona ny omby tiany teo an-tanàna ireo mpandroba mpanani-bohitra, fa mbola nitifitra ka olon-tsotra roa no maty lavon’ny bala. Noho ny firongatry ny asan-dahalo nahazo laka tato ho ato, dia mandry andriran’antsy ny vahoaka, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici