- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025

Tapatapany

# -Sambava. Olona iray matin’ny lozam-pifamoivoizana. Olona iray no maty ary miisa folo ny naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny toerana antsoina hoe Antsiravalo, any sambava, tamin’ny RN 32. Ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa nisy fiara Nissan 4X4 nitondra olona 14 nivadika niala moto. Maty teo no ho eo ny mpandeha iray. Ireo naratra kosa nentina haingana tany amin’ny hopitaly any Sambava. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary avy ao amin’ny BRP Sambava.

# – Andapa. Lehilahy 21 taona nanolana zazakely, voasamboatra. Zazavavy kely 11 taona no fantatra fa nisy nanolana tany amin’ny toerana antsoina Ambaniandrefana Antanandava, any Andapa. Lehilahy 21 taona no nahavanona ny loza. Voalaza fa rehefa vita izay nataony dia notsofohany hazo kely ny fivavian’ilay zaza. Nandositra izy avy eo. Ny zandrin’ilay voaolana no nampandre ny olona teo an-tanàna. Nosamborina ny anao lahy ary tazonina ao amin’ny zandary any Andapa. Tsaboina any amin’ny hopitaly any an-toerana ilay ankizy kely niharan’ny fanolanana.

 # – Tsaratanana. Dahalo nitondra MAS 36 nanafika. Nisy fanafihan-dahalo niseho tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambihimpanandrina, kaominina Andriamena, any Tsaratanana, tamin’ny faha- 19 desambra teo. Nitondra basy MAS 36 iray sy basim-borona maromaro ireo mpangalatra. Lasa tamin’izany ny omby miisa 45. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana avy ao Andriba hiambina ny kizo rehetra. Mbola tsy nisy tratra aloha hatramin’izao. Ny zandary avy ao Andriamena no manao ny fahadihadiana.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici