# Ampefiloha. Tranona Masera saika notafihana folo lahy. Ny marainan’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 1 ora, nisy andian-jiolahy voalaza fa folo no tonga saika hanafika tao amin’ny tranon-dry Masera teny Ampefiloha Ambodirano. Teo ampamakiana ny vavahady izy ireo no nisy nahare. Tonga dia nampandrenesina teo no eo ny mpitandro filaminana ary nandeha teny amin’ilay toerana. Vao nahita ireo polisy marobe ry zalahy dia niparitaka ary tsy nisy tratra. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
# Marovoay. Maty nipoahan’ny basy tany am-paosiny. Sendra ny tsy patsa iray tsy omby vava ity lehilahy iray nonina tany amin’ny tanana Amorimbato any Marovoay. Nitondra basy vita gasy tany am-paosiny izy io. Tsy fantatra izay niseho fa nipoaka tampoka ilay basy ary nandratra azy teo amin’ny feny. Naratra mafy ny anao lahy. Niezaka nitondra azy tany amin’ny trano fitsaboana ireo nahita ny fandehan-javatra. Teny an-dalana anefa dia maty ilay olona.
# Marosakoa. Vehivavy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Ny faha-26 desambra teo tany amin’ny fokontany Befotoana kaominina Marosakoa no nahitana fatim-behivavy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Misy dian’antsy eo amin’ny lohany sy eo amin’ny masony havia ary eo amin’ny saokany, tapaka ihany koa ny tanany havia. Tsy vitan’izay fa mbola niala ihany koa ny nonony havanana ary tapaka ny tendany ary efa nihintsana ny nofon-tongony havanana. Nidina tany an-toerana ny zandary sy ny mpitsabo nizaha ny zava nisy. Efa mandeha ny famotorana.
Nangonin’i r.s