- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

Mahabo : Olona 10 matin’ny dahalo tao Mangabe. Noho ny firongatry ny asan-dahalo ao Mangabe Mahabo, dia olona folo no efa matin’ny dahalo nanomboka ny faran’ny taona teo no mankaty. Vokatry ny firongatry ny tsy fandriampahalemana izay, dia tsy mifampatoky intsony ny samy mpitandro filaminana, ka hatramin’ny samy zandary aza nifampitifitra. Zandary mpiana-draharaha iray sy sivily iray no maty voatifitry zandary hafa nanao fanaraha-maso amin’ny alina. Tsy hita mandrak’ izao ny basy, raha ny loharanom-baovao voaray.

# Maintirano : Tovovavy 22 taona maty nananton-tena. Tsy fantatra na olam-pitiavana tamin’ny olon-tiany na antony hafa no nanosika an’ity tovovavy iray 22 taona, monina ao Ampasimena any amin’ny kaominina Andabotoka, distrikan’ny Maintirano namono tena, fa ny fatiny nihantona tamin’ny tady nitsirara teo amin’ny tongo-pandrinany hitan’ny fianakaviany no nanaitra ny rehetra, ny zoma alina lasa teo. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao, dia efa andro maromaro ity zazavavy ity no tsy nifampiresaka tamin’ny fianakaviany tao an-trano, raha ny nambaran’ireo havany. Rehefa tsy nisy tao an-trano ireto farany, dia naka tady izy ka nasiany vona dia nampidiriny tamin’izany ny tendany avy eo. Nodakainy ilay seza ka nihantona irery teo izy, ary namoy ny ainy avy hatrany taorian’izay. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana dia tsy nahitana ratra na diam-bono ny tenany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici