- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025

Tapatapany

# Mandeha ny fijirihana any amin’ny faritra ankehitriny. Taorian’ny fielezan’ny feo momba ny fisian’ny fanondranana andramena tany amin’ny faritra atsinanana sy avaratra dia nisy avy hatrany ny fanamarinana nataon’ny zandary mba nentina nanamarina an’izany. Hatramin’ny omaly anefa, raha araka ny fanazavan’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io, dia tsy mbola nahitàna soritra fanondranana tany amin’ireo faritra roa voatondro ireo.

# Miteraka resa-be ilay volavolan-kevitra izay mandrara ny fampiasana “radio carte” any atsimo, mba hoentina miady amin’ny dahalo. Talanjona ny rehetra hoe inona ny hidiran’ireo lafiny roa ireo? Indrindra koa tsy fitaovam-piadiana akory ny “radio carte” izay tsy azo ihainoana afa-tsy hirahira avy amin’ny alàlan’ny karatra ao anatiny.

# Nisesy loatra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena izay nahafaty olona, indrindra fa ireo fiara fitateram-bahoaka. Mbola tsy nisy ihany anefa ny fanapahan-kevitra mety mba mifandraika amin’ny fanenana izany, ary tsy mba voaresaka mihitsy amin’ny filankevitry ny minisitra na sehatra ambonimbony…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici