- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024

Tapatapany

# – Arivonimamo. Potiky ny bala ny tananan’ilay lehilahy. Andian-jiolahy voalaza fa miisa hatrany amin’ny 20 no nanafika trano roa tany Manalalondo, any Arivonimamo, afak’omaly. Fivarotana ny iray tamin’ireo voatafika. Niditra nanao amboletra ireo mpangalatra. Nanapoaka basy izy ireo tamin’izay fotoana izay. Niantefan’ny bala ny raim-pianakaviana iray ary voa teo amin’ny sandriny, izay voalza fa potika mihitsy. Lasa ny vola sy ny entana maro. Noho ny ratra nahazo azy dia tsy maintsy nentina tsaboina eny amin’ny HJRA ilay voatifitra.

# – Fenoarivo. Mpitondra bisikileta vaky loha. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny faritr’i Fenoarivo, omaly vao maraina be tokony ho tany amin’ny 6 ora tany ho any. Mpitondra bisikilieta iray no voadonan’ny fiara teo afovoan’ny arabe. Nianjera tamin’ny tany izy ary voalaza fa vaky ny lohany. Ny vaovao no nahalalana fa asa izay nahazo an’io olona io fa nandeha tampoka teny afovoan-dalana izy. Na dia niezaka nijanona aza ny mpamily ilay fiara dia tsy nahavita izany.

# – Ambondrona. Fandrobana tao amina cyber. Ny folakandron’ny alatsinainy teo, voaroba ny cyber iray tetsy Ambondrona. Ny voavao voaray no nahalalana fa nisy efa-dahy niditra toy ny mpanjifa rehetra. Nijery internet izy ireo ary rehefa izany dia nisy zavatra nandikany ary navoaka tamin’ny “imprimante”. Nanatona ilay tompon’andrikitra haka izany izy ireo. Eo ihany koa ny fandoavana vola. Tampoka anefa, notereny ilay tompony hanome azy ny vola. Lasany ihany koa ny oridnatera fitondra iray. Ireo rehetra tao an-trano vaotrerona ka tsy nisy sahy nihetsika.

# – Fanafihana Jovenna. Nohenoina ny mpamily. Taorian’ny fandrobana vola 31 tapitrisa ariary teny amin’ny Jovenna Ambatomainty dia efa nohenoin’ny polisy ny mpamily ny fiara sy ilay lehilahy iray mpanampy azy. Izy roa ireo mantsy no saika hanatitra ny vola tany amin’ny banky tamin’ny alatsinainy teo. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy ny fisamborana natao. Mandeha hatrany ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

# – Vohemar. “Bois de rose” 30 taonina tratra. Omaly maraina be tokony ho tany amin’ny 2 ora tany ho any no tra-tehaky ny zandary miasa any Vohemar nanao fisavana ny « camions » telo nitondra « bois de rose » milanja hatrany amin’ny 30 taonina. Izany hoe, samy nitondra 10 taonina avy izy ireo. Tonga dia notanana ny mpamily ireo fiara ireo. Tafatsoaka anefa ny iray. Rehefa nanontaniana izay tompon’ny hazo ireo voatana dia tsy mbola nilaza izany mihitsy. Voalaza fa saika ahondrana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy ireo.

nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser