- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

#- Sambava. Tovovavikely niharan’ny fanolanana, nandoa vola 1,5 tapitrisa ariary ny mpanolana dia nilamina ny raharaha. Nilamina avy hatrany ny raharaha raha vao nandoa vola 1.500.000 ariary ny ray aman-drenin’ilay tovolahy “classe de 3ème” nanolana an’ity zazavavy 12 taona, “classe de 7ème” izay zanaka mpampianatra. Ny fiandohan’ity volana febroary ity, tao Lohanantsahabe, Kaominina ambanivohitra Ambodiampana no niharan’ny fanararaotana ara-nofo narahina herisetra nataon’ny mpianatra toa azy ihany ity ankizivavy hiatrika fanadinana CEPE amin’ny faran’ity taom-pianarana ity. Mba fitandroana ny fihavanana dia nifona ny ray aman-drenin’ilay tovolahy nanolana, ary nangataka 20 andro nitady vola roa tapitrisa ariary. 

#- Mahabo. Roalahy namono tamin’ny fomba feno habibiana lehibena andrimasom-pokonolona “kalôny”, naiditra am-ponja vonjy maika. Rehefa avy nandalo ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny tribonaly ao Morondava ny roalahy voasambotra izay namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana lehibena “kalôny” andrimasom-pokonolona, ny 7 janoary lasa teo, tany amin’ny distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, dia naiditra am-ponja vonjy maika ao amin’ny fonjaben’i Morondava ny zoma teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny 9 martsa ho avy izao. Mbola karohina fatratra kosa hatramin’izao ny roalahy nitsoaka naman’ ireto malaso.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici