- Publicité -
vendredi, août 8, 2025
- Publicité -

Tapatapany

# Mbola mitohy hatrany ny fampiharana ny « couvre-feu » hatramin’ny omaly alina. Efa miverimberina tsikelikely kosa ny filaminana ao an-toerana. Ireo naratra indray, ireo mpianatra izany dia efa vita ny fandidiana azy ireo raha araka ny voalazan’ny tompon’andraiki-panjakana izay azo tamin’ny antso an-taroby tany an-toerana.

# Nilentika ny botry iray teo amin’ny manodidina an’i Maintirano. Nifamonjy izay nanana lakana namonjy ny olona mandram-pahatongan’ny vedette rapide izay nafarana. Nisy vokany izany satria tsy nisy ny aina nafoy na dia teny am-povoan-dranomasina be aza no nitranga ny loza. Nanampy ihany koa tamin’ity tranga ity ny fifampitam-baovao tamin’ny alalan’ny finday. Afaka namonjy na ny lakana kely aza rehefa nandre ny zava-nitranga…

# Mpivady nisy namono teny amin’ny manodidina an’Ivato. Nentina teo amin’ny tranom-paty ny razana roa omaly. Raha araka ny fantatra dia teratany sinoa izy ireo. Teny anivon’ny pôlisy indray dia nilaza fa mbola tsy naharay fitoriana momba ity raharaha ity. Arahina ny fivoarany.

D.R    

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici