- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# Andohoranofotsy. Resaka rano, mitaraina ny mponina. Tsy nahafaly ny mponina eny Andohoranofotsy ny fanalana ny mpitantana rano eny an-toerana izay niseho tamin’ny fiandohan’ny volana aprily lasa teo. Nesorina mantsy ny lehilahy iray izay mitantana ny fantsakana eny an-toerana. Mahafa-po ny rehetra anefa ny fiasany, hoy ireo solotenam-pokonolona tafaresaka taminay. Tsy vitan’izany fa nasaina nosamborin’ny zandary io olona io. Ny vahoaka mihitsy ny tonga namoaka azy teny amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana.

# Fitsarana. Fito taona asa an-terivozona ho an’ilay lehilahy. Niakatra fitsarana omaly  ny raharaha nahafaty zaza lahy iray 11 taona niseho teny Ambohidrapeto ny faha-13 septambra 2012. Tamin’io andro io, maty novonoin’ny raikeliny ity ankizy ity. Nivoaka ny didy ka fantatra fa migadra 7 taona asa an-terivozona sy 5 taona tsy mahazo mandia faritany ilay nahavanona ny famonoana.

# Manjakandriana. Tale nanolana mpianatra. Tamin’ny 8 aprily lasa teo no niseho ny fanolanana ankizy vavy kely vao kilasy ambany tany amin’ny faritry Manjakandriana. Ny vaovao no nahafantarana fa nitondra mpianatra hanao “voyage d’étude” ramose. Tamin’izany no nanolanany mpianatra iray. Reehfa tafaverina ireo ankizy dia nisy ray aman-dreny nahaita fa niharan’ny fanoalanana ny zanany. Nametraka fitoriana izy ireo nefa hatramin’izao, tsy nahazo valiny.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser