Toliara : Tovovavy iray nilaozan’ny olon-tiany, maty namono tena tamin’ny fanafody. Tsy nahantaty ny fandaozan’ny olon-tiany tampoka azy ity tovovavy iray 19 taona, ka nitelina fanafody maromaro nanaperany ny androm-piainany. Raha ny fantatra dia lasa nanaraka vehivavy iray mpizahatany efa nahazoazo taona any ivelany ity lehilahy sakaizany, ny talata teo. Ankona ny rehetra, omaly naraina, fa ny vantana mangatsiak’ilay tovovavy namoy fo tsy nisy aina intsony no novantanin’ny havany tao amin’ny efitrano fatoriany, hoy ny vaovao.
Mahajanga : Mpangalatra iray maty nataon’ny mpianatry ny Oniversiten’Ambondrona fitsaram-bahoaka. Omaly naraim-be, tokony ho tamin’ny roa ora, tratra ambodiomby teo am-pangalarana finday, ity tovolahy iray, ka nentin’ny mpianatra teo ampovoan-kianja filalaovam-baolina nanaovana fanadihadiana tsotsotra, saingy teo dia efa nandeha ny daroka sy vono ary tora-bato, ka nahafaty an’ity voatondro ho mpangalatra. Taorian’izay, dia nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpianatra roa tompon’ny entana nangalarina. Mitaky ny hamoahana ny namany nosamborina anefa ireo mpianatra, ary mandrahona ny hanao fitokonana raha tsy havoaka izy ireo.
RN 44 : Olona 3 maty vokatry ny fifandonan’ny fiara. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina namoizana ain’olona indray tamin’ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moromanga sy Ambatondrazaka, afak’omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fiara Mazda sy Renault Express no nifandona 4km miala an’i Moramanga.
Ambositra : Dahalo iray matin’ny fokonolona, iray hafa notapahin-tanana. Dahalo roa lahy no tra-tehaky ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao Antanamahalana Ambositra, afak’omaly alina. Matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray, ary notapahin’ny mponina kosa ny tanana ankavian’ny malaso iray. Raha ny vaovao voaray, dia nanafika tranon’olona ireo dahalo, ka rehefa voasambotra teny am-pitsoahana ny roa dia izao tsy namelan’ny fokonolona izao raha tsy nitondra faisana. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa avy any Antsirabe izy roa lahy ireto, no tonga nanafika tany Ambositra. Fa tany amin’ny Distrikan’ Ambatofinandrahana kosa, dia dahalo miisa 10 no voasambotry ny mpitandro filaminana noho ny fanatanterahana ny hetsika “Operation Mazava”.
Nangonin’ i Eric Manitrisa