#- Taolagnaro. Kamiao nivadika nahafatesana olona efatra. Lozam-piarakodia mahatsiravina no nitranga tamin’ny lalam-pirenena faha-12A (RN12A) ny zoma 11 Aogositra teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Kamiao mpitatitra entan’ny orinasa mpanao lalana EGECOM manamboatra iny RN12A iny no nivadika tao amin’ny tanàna atao hoe Belavenoky, kaominina Mahatalaky, 26 km miala avy ao Taolagnaro. Vokany, olona efatra no maty tsy tra-drano ka iray tampo ny roa amin’izy ireo izay samy mbola ankizy avokoa (5 sy 14 taona). Fito no naratra ka dimy tena voa mafy ka tsy maintsy notanana ao amin’ny hôpitaly CHRR ao Tolagnaro. Potika tanteraka ilay fiarabe.
#-Imerinafovoany. Mpamilin’ny ministera, tratra nifoka rongony sy nitondra basy tsy ara-dalàna. Ny faran’ny herinandro teo, nisy telolahy nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Talatamaty, teny amin’iny faritra Imerinafovoany iny. Voarohirohy tamin’ny resaka fidorohana zava-mahadomelina izy ireo, ary mbola nahatrarana basim-borona tsy ara-dalana. Araka ny fampitam-boavao azo dia ny iray tamin’ireo telolahy ireto dia fantatra fa mpamilina ministera iray, ireo roalahy namany kosa dia samy mpivarotra. Notazonina vonjimaika ao amin’ny borigady Talatamaty izy ireo miaraka amin’ilay basy hanaovana ny fanadihadiana.
Nangonin’i T.M. / m.L