# Norobain’ny jiolahy ny fasana sivy tao Toliara renivohitra. Fasana efa nisy hatramin’ny taona 1800 izany ary lasa tao avokoa ny firavaka sy ny taolam-paty maro.
# Mitohy hatrany ny fanafihana ataon’ny jiolahy mitam-basy, eny amin’ny manodidina an’ Ambohidratrimo. Nanapoaka basy ireo ary lasa ny vola tao amin’ilay tokantrano, niaraka tamin’ny kojakoja samihafa.
# « Bar » iray no voatafika tetsy Talatamaty. Enin-dahy nitam-basy no nanafika ary na efa nihidy aza ny toerana, dia nobanahan’izy ireo. Lasa ny vola tao anatiny ary mbola nanafika koa ireo iray kilaometatra niala teo. Nisy iray voatifitry ny zandary ka namoy ny ainy.
# Niomana tamin’ny fisamborana azy ny olona iray ary nanakarama vatan-dehilahy hiaro. Raha tonga ny zandary niaraka tamin’ny taratasim-pitsarana hahafahana misambotra, avy hatrany dia saika norotahan’ireo olona. Votery nampiasa basy ary niantso « renfort ». Rifatra nitsoaka ireo olona ka ny olona akaiky azy ireo no nosamborina aloha mba hivoahany. Tetsy Ambohimarina, ao Itasy, no nitrangan’izany.
D.R