- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -

Tapatapany

#-Sambava. Tafakatra 25.000 ariary ny takelaky ny Cotrim. Tsy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany fa efa tonga hatrany amin’ny faritra Sava iny ny fitadiavana fanafody. Taorian’ny filazàna fa voaporofo ny fisian’ny aretina pesta dia nihakazahan’ny maro ny fividianana  « Cotrim », izay voalaza fa fanafody miady amin’ity aretina ity. Any Sambava manokana, raha ny fampitam-baovao azo, dia efa tafakatra hatramin’ny 25.000 ariary ny takelak’ity fanafody ity, raha misy, raha novidiana 1.200 ariary izany teo aloha. Torak’izany ihany koa ny fanafody antibiotika, « tetracycline ». Amin’izao, hoy ny fampitam-baovao. Tsy izany finday na vola izany intsony no ahatahorana sao hisy hangalatra fa ny fanafody. Raha ny eto an-drenivohitra manokana, dia efa misy amin’ireo fivarotana sasantsany no efa tsy ahitàna intsony ireto fanafody ireto.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici