- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

# Hain-trano tao Imerintsiatosika. Trano 17 no may, ny 15 septambra, tao amin’ny fokontany Ambavakiloarano. Tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany antoandro no niandoha ny afo; izay niainga avy tao amin’ny tranon’Atoa  Rasolonjatovo Andriniaina. Vokany, 88 no traboina, mbola tsy fantatra ny tetibidin’ny entana simba izay tsy nisy noraisina intsony.

# Fahitana taolom-paty tao Ifanadiana. Olona iray nandeha nivoaka maraina no nahita taolam-paty 03 kitapo tao anaty kirihitr’ala tao amin’ny fokontany Matavirano, kaominina Ranomafana, distrikan’ Ifanadiana, ny 13 Septambra lasa teo. Nisaina teo imason’ny sefom-pokontany ireo taolana ireo ka nisy 76 ny taolam-pe ary 100 ny taolan-tsandry. Nalevina ao amin’ny fasam-bahiny any an-toerana ireo taolana ireo.

# Hain-trano tao Sambava. Trano efatra no in-dray nirehitra tao amin’ny fokontany Antanifotsibe, distrikan’i Sambava ny 15 Septambra tamin’ny 12 ora antoandro no niatomboka ny afo izay voalaza fa vokatry ny “court circuit” teo amin’ny taribin’ny JIRAMA. May tamin’izany ny entana rehetra tao an-trano sy ny vola mitentina 3 540 000 AR. Tokantrano 3 no traboina tamin’izany.

Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona. Kamiao  Renault nentina tovolahy 19 taona, no nandona  lehilahy iray, ny zoma 15 Septabra teo tokony tamin’ny 5 ora hariva . Tany amin’ny lalana mapitohy an’Ambohidratrimo sy Iarinarivo no nitranga ny loza. Maty teny an-dàlana ilay lehilahy izay voalaza fa mamo, rehefa nentina hankeny amin’ny hopitaly. Notazonin’ny Zandary ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo avy hatrany ilay mpamily hanaovana fanadihadiana.

 Nangonin’i T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici