# Ambohipo. Voatery nanapoahana basy ireo mpirevy. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo pôlisin’ny boriborintany faharoa, ny zoma alina lasa teo, hanakatona ireo mpivarotra zava-pisotro mahamamo, izay misokatra aorian’ny fetr’ora izay ara-dalàna. Izany dia mba hisorohana ny resaka tsy fandriampahalemana mirongatra eny an-toerana. Tsy nanaiky izany anefa ny sasantsany tamin’ireo olona nirevy, ary saika niafara tamin’ny sakoroka izany. Voatery nanapoahana basy mihitsy ireto olona nitady hikorontana ireto. Nanampy ireo pôlisin’ny boriborintany ireto moa ny avy ao amin’ny UIR. Nilamina ihany izany toe-draharaha nony nisy ny fifampiresahana.
# Ambohidratrimo. Tranom-barotra voatafika, lasa ny vola iray baoritra. Tranom-barotra iray teny Sabotsikely, ao amin’ny fokontany Ambodisaha, ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo, no lasibatry ny fanafihan-jiolahy telo nitondra basy. Lasa tamin’izany ny vola iray baoritra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ireo zandary.
Nangonin’i m.L