# Ambohijatovo. Jiolahy rain-dahiny voasambotra. Jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Fano no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany voalohany indray, teny Ambohijatovo. Vao avy nivoaka ny fonja mihitsy ity farany noho ny resaka fanafihana sy vaky trano. Ny alahady teo anefa, dia fantatra fa vao avy nanafika tera-tany vahiny tetsy Isoraka izy sy ny namany, avy eo nanendaka mpiandry taxibe tetsy Tsaralalàna. Natao ny vela-pandrika ary dia izao voasambotra izao indray ny lehilahy. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Eo am-pikarohana ireo namany kosa ireo pôlisy.
# Sambava. Mpivady nitaingina môtô, niara-maty nodonin’ny fiara. Olona roa indray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’iny faritra Sava iny. Tao Ambarimihambana, Sambava no nisehoan’izany, omaly. Mpivady vao avy nividy môtô ity niharan-doza ity. Maty tsy tra-drano izy ireo, rehefa avy nofaohin’ny fiara tsy mataho-dalàna iray. Efa mandeha moa ny fanadihadiana any an-toerana.
Nangonin’i m.L