- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -

Tapatapany

Tanjombato, may ny Hazovato. Azo lazaina fa nieren-doza ihany ny orinasa Hazovato etsy Tanjombato raha ny zava-nitranga omaly  hariva no jerena. Nirehitra ny ozinina fandrafetana fanaka, isan’ny antoky ny asa atao ao amin’ity orinasa ity. Firehetana tampoka teo amin’ny tariby mpitondra herinaratra no nahatonga ny loza, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Ireto farany izay nanao ny asa famonjena teny an-toerana. Avy hatrany dia nitatra ny afo ka nandoro ny ampahatelon’ilay toeram-piasana. Soa fa tonga haingana ny mpamonjy voina izay afaka namoaka ny entana tamin’ny ilany tsy nirehitra. Araka ny fanazavana ihany, tsy naharitra ora iray akory dia voafehy ny afo.

Very ny dosien’ilay Karana tao amin’ny Fitsarana. Omaly no tokony hiakatra Fitsarana tao Toamasina ilay karana voampanga fa nidaroka mpiambina toeram-pitehirizana entan’olona manan-draharaha aminy tao amin’ny tanànan’Ankirihiry volana maromaro lasa izay. Tsy tanteraka anefa na dia efa teo daholo na ny mpitsara na ny mpisolovavan’ny mpitory satria nolazaina fa nanjavona tsy hita ny taratasin’ady mikasika ity raharaha ity. Tsy vitan’izay, mbola tsy eto an-toerana ihany koa ilay Karana voampanga fa mialokaloka any La Réunion. Fantatra fa efa nisy Fitsarana natao an’ity lehilahy ity noho ny resaka vono ihany ka nahavoaheloka azy higadra 1 taona talohan’izao. Araka izany, tsy mbola niditra am-ponja akory ity olona ity hatramin’izao nefa dia sazy mihatra no nomena azy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici