Ambohimahasoa : Nisy namaky ny CSB2. Lasa ny fanafody maro izay mba natao tahiry tao. Torak’izany ihany koa ny fitaovana fampiasa amin’ny fitsaboana. Nokajian’ireo olon-dratsy ho amin’ny fotoana tsy dia hisian’ny olona mivezivezy eo amin’ilay toerana no namakiany ny biraon’ny tompon’andraikitra ka nahatafiditra azy ireo tao anatin’ilay toeram-pitsaboana. Ny alin’ny fiandrasana ny noely, no nitranga ny fandrobana. Fitiavana hangalatra fotsiny ve sa nisy nampaniraka kosa ireto olon-dratsy ireto? Toa mampanahy ihany mantsy ny hoe hisy hividy avy hatrany ny fanafody halatra izany.
Namono mpamily taxi : Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy. Voasambotra ilay olon-dratsy namono nahafaty mpamily fiarakaretsaka, tao Fenoarivo. Raha tsiahivina dia notetehiny tamin’ny antsibe io mpitondra taxi io ary nariany ny fatiny nony avy teo. Izany no nataony dia mba hoentina nangalatra ilay fiarakaretsaka. Nandeha ny fikarohana rehetra ary tsy ela dia voasambotra ny nahavanon-doza. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy. Toerana izay mety handaniany ny androm-piainany sisa, toy ireo olona marobe izay nanatontosa helokabevava ka nogadraina any.
Marc Tatandraza : Mampanahy hatrany ireo video. Nitombo ihany ny horonantsarimihetsika omaly, izay mampiseho ny fahafatesan’ingahy « apostoly ». Nampian’ny mpiara-dia aminy vidéo izay misy ny formol izay natsindrona taminy omaly, teo amin’ny tambajotran-tserasera. Tavoahangy kely latsaky ny iray litatra izany. Raha nanontaniana ny hevitry ny mpitsabo izay sendra anay, dia nohazavain’ireo fa raha kely indrindra dia dimy litatra no atsindrona raha hitazona ny vatana mangatsiaka tsy ho potika haingana. Manarak’izany, ilay tavoahangy sy ilay tsindrona ihany no hita amin’ny vidéo, fa ilay fanindronana vatana kosa tsy hita mihitsy. Mampanahy hatrany ny maro ity raharaha Tatandraza ity.
D.R