# Trano iray no nisy nandoro, niitatra ny afo ary niteraka ny fahamaizan’ny 22 hafa teo amin’ny manodidina izany. Mbola karohina izay nahavanon-doza. Olona 26 no tsy manan-kialofana vokatr’ity hain-trano niniana natao tao amin’ny kaominina Vohitranivona-Brickaville ity. Nisy naratra ary ny fahavoazana indray dia tombanana ho any amin’ny 60 tapitrisa ariary any.
# Mola trano may ihany , saingy ity indray dia vokatry ny tsy fitandremana tao an-dakozia no nitarika ny loza. Nahazo ny tafo falafa ny afo ary niitatra tamin’ny trano 36 teo amin’ny manodidina, tao amin’ny fokontany Andongozabe-Fenerive est. Olona 90 no tsy manan-kialofana vokatr’izany ary tafakatra hatrany amin’ny 150 tapitrisa ariary ny fahavoazana.
# Jiolahy dimy no saika hovonoin’ny olona avy amin’ny alàlan’ny fitsaram-bahoaka, raha tsy niditra an-tsehatra ny kartie môbila sy ny zandary tao Manakara. Efa manomboka misy tamberina ny fanofanan’ny zandary ireo andrimasom-pokonolona izay natao tamin’iny taona iny, indrindra amin’ny fanentanana azy ireo mba tsy hamono olona.
D.R



