#-Ambohimanarina. Mpamatsy basy any Atsimo voasambotra. Mividy basy eto an-drenivohitra izy dia amidiny amin’ireo dahalo iray tarika aminy any Atsimo avy eo izany. Nisy nampita izany fanaony izany ka raikitra avy hatrany ny fisamborana tao amin’ny trano niereny, tetsy Ambohimanarina. Bala maro izay fampiasa amin’ny poleta 7.65 mm sy 7,62 mm no hita tao. Misy 49 izany raha araka ny tatitry ny zandary. Mbola teo am-piandrasana ny basy izay hovidiany ity rangahy ity no voasambotra. Any Betroka dia mody miara-miasa akaiky amin’ny zandary ao an-toerana izy, amin’ny fanomezam-baovao. Kinanjo voaporofo izao fa tena dahalo izy ary koa mpamatsy fitaovam-piadiana ny dahalo.
#- Analamahitsy. Môtô nandona mpandeha an-tongotra. Rangahy lehibe iray no naratra mafy rehefa nodomina môtô tetsy Analamahitsy, ny harivan’ny alarobia teo. Nianjera vokatr’izay ihany koa ilay mpitaingina môtô ka naratra. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, dia nandeha mafy dia mafy tokoa ity mpitondra kodiaran-droa ity. Sendra iny izy nisisika niala fiara iny no nifatratra tany amin’ity mpandeha an-tongotra ity. Mafy ny fifandonana ary samy nitsirara tamin’ny tany na ilay nandona na ilay voadona. Samy nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa ireto olona roa naratra ireto.
Nangonin’i D.R / m.L