- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025

Tapatapany

 #- Ambohidratrimo. Teratany vahiny voadaroka tao an-tranony. Jiolahy telolahy no niditra an-keriny tao amina tokantranona terantany vahiny iray teny Andranoro, Antehiroka ny alin’ny alakamisy lasa teo. Nirongo basy poleta sy zava-maranitra izy ireo. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny vody basy teny aminy ilay tompon-trano ka naratra teo amin’ny lohany. Finday iray kosa no lasan’ireto mpanafika tamin’io fotoana io, ary lasa nitsoaka izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana moa ity naratra taorian’izay. Efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza kosa ny zandary avy ao amin’ny Pa Ambohibao.

#- Andramasina. Sefo fokontany notafihan’ny jiolahy. Nirongo zava-maranitra ireo olon-dratsy ary nanao amboletra niditra tao amin’ity sefo fokontany iray tao Fihaonana, ao amin’ny kaominina Fitsinjovana Bakaro. Tsy naratra ny tompon-trano saingy kosa lasan’ireo mpandroba tamin’izany ny enta-madinika mitentina eo amin’ny dimy alina sy iray hetsy ariary teo ho eo, niampy bisikleta roa. Nandositra izy ireo nony vita ny asa ratsiny. Nandray an-tanana ny raharaha moa ireo zandary avy ao Fitsinjovana Bakaro.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici