Vohibato
Lehilahy hita faty efa lanin’ny biby
Tranga tsy fahita firy izay nahavalalanina ny maro no niseho tao Andranovorivato Distrikan’i Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, omaly naraina. Lehilahy iray sahabo ho 40 taona eo no hita faty tao anaty kirihitrala, ary lanin’ny biby ny nofon-dranjony iray manontolo teo amin’ny tongony roa. Torak’izany koa ny ilan-tànany havanana ary niendaka ny hodi-dohany tsy nisy volo intsony. Raha ny tati-baovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia tsy nisy nahafantatra an’ity lehilahy hita faty teo atsimo kelin’ny tanàna ity ny mponina, ary tsy mbola fantatra ihany koa hatreto ny antony nahafaty an’ity raim-pianakaviana ity sy ny toerana fiaviany ary ny havany.
Ifanadiana
Dahalo roa matin’ny vahoaka
Nitrangana fanafihan-dahalo nitam-piadiana nahery vaika indray, tany amin’ny Distrikan’ Ifanadiana, Faritra Vatovavy Fitovinany, omaly naraimbe tokony ho tamin’ny efatra ora, tao Ambohimanga Atsimo. Tsy nanaiky mora tamin’ny fandrobana ny fananany ny mponina teo an-tanàna, ka raikitra ny fifandonana tamin’ireo mpanani-bohitra, ka dahalo roa no maty ary olona roa teo an-tanàna naratra mafy nipitihan’ny bala. Raha ny tati-baovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola ao anatin’ny fanarahan-dia an’ireo dahalo tafaporitsaka ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Sambava
Dimy mianadahy mitam-basy nanafika
Noho ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny olona tsara sitrapo nanome vaovao marim-pototry ny mpitandro filaminana, dia voasambotry ny Zandary afak’omaly ireo dimy mianadahy nitam-piadiana izay nandroba tranombarotra iray, ny narainan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny roa, tao amin’ny Fokontany Antanifotsy I Sambava tampon-tanàna. Raha ny tati-baovao voaray, dia mbola tratra teny amin’ireto olon-dratsy avokoa ireo fitaovana rehetra nentin’izy ireo namaky ity toeram-pivarotana lehibe ity : toy ny basy vita gasy, antsy lavalela, “pince coupante”, . . . , ary mbola sarona teny amin’ireo jiolahy ihany koa ny lelavola efatra hetsy ariary sy finday enina lasan’ ireo mpandroba tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana. Nomarihan’ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, fa misy tsy ampy taona sy vehivavy ireo mpanao asan-jiolahy tra-tehaka.
Nangonin’i Eric Manitrisa