- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025

Tapatapany

# Ambondromamy. Fitsaram-bahoaka voasoroka. Roalahy voarohirohy tamin’ny fanafihana « cash point » iray tany amin’iny faritra Ambondromamy iny no voasambotry ny pôlisy tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Teo anatrehan’izay dia nitaky ireo roalahy ireto mba hatao fitsaram-bahoaka ireo fokonolona, izay efa nivorivory teo anoloan’ny birao. Nisy anefa ny fandaminana natao teo amin’ireo fokonolona ary nilamina ihany izany taty aoriana. Na izany aza anefa dia nohamafisina ihany ny fiambenena. Tonga nanome tanana ihany koa ny zandary. Ireo roalahy voarohirohy kosa dia fantatra fa alefa any Mahajanga. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici