- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025

Tapatapany

#- Masay : lehilahy maty an-drano. Tokony ho 40 taona any ho any ity rangahy hita faty tetsy Masay omaly tolakandro ity. Voalaza fa efa natsingevan’ny rano izy ary nosarihan’ireo mponina teny an-toerana hihazo ny morona. Tsy nahitàna ratra teny aminy ary mbola manao akanjo tsara ny lehilahy. Tsy nisy nahafantatra azy ihany koa ireo mponina teny an-toerana. Efa nampandrenesina ireo tompon’andraikitra ary tonga naka ny razany teny ireo tao amin’ny Bmh, nitondra azy eny amin’ny tranom-paty eny Ampefiloha.

#- Ambatofinandrahana. Zandary maty voatsindrona antsy. Ny alatsinainy lasa teo dia zandary mpiana-draharaha iray indray no namoy ny ainy tany amin’iny distrikan’Ambatofinandrahana iny. Nandray ny andraikiny izy teo anoloana disadisa teo amina olona roa tany an-toerana, kanjo izy indray no nifotoeran’izy ireo: voatsindrona antsy teo amin’ny kibony. Namoy ny ainy vokatr’izay ratra izay ity mpitandro filaminana ity. Efa nandray an-tanana ny raharaha moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ary efa nisy ny fisamborana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici