#- Mahajanga. Mpikarakara lanonana nampidirina « violon ». Mpikarakara lanonana fanta-daza iray, niaraka tamin’ny vadiny sy ny mpiara-miasa aminy iray no natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana tao an-drenivohitr’i Boina tao. Antony : voalaza fa nahitana ankizy tsy ampy taona nampidirina tao amina lanonana ; izay natao andro alina. Rehefa nozohina anefa ny raharaha dia fantatra fa toa hoe lonilony sy valifatin’ilay lehibena mpitandro filaminana izay tsy navela niditra tao amin’ity lanonana ity no antonin’io fampidirana « violon » ireto mpikarakara ireto.
#- Ampitatafika. Mpangalatra « panneau solaire » voasambotra. Telo lahy izy ireo no voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Ampitatafika iny, raha teo am-pihaniana andrin-jiro ary niomana ny hangalatra « panneau solaire » ny herinandro lasa teo. Mbola tratra teny amin’ireto mpangalatra ireto ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo entina hampitahorana izay manakana azy amin’izany asa ratsiny izany, ary ireo fitaovana fentiny mangalatra. Tamin’ny fanadihadiana ireto farany, dia nanoro ny namany iray izy ireo ary nosamborina ihany koa ity farany. Mbola misy naman’izy ireo iray moa mandehandeha any ary efa eo am-pikarohana azy ireo ireo zandary eny an-toerana.
#- Behoririka. Mpitandro filaminana nandrovitra antontan-taratasina fiara. Mpitandro filaminana iray no saika nosaritahan’ny olona ny sabotsy teo, tetsy Behoririka. Nisava sy naka antontan-taratasina fiarakaretsaka iray teny an-toerana izy io. Tsy fantatra anefa izay zava-niseho, fa nentin-katezerana loatra ranamana ary niafara tamin’ny fandrovitana ilay taratasin’ny fiara nosavainy teny an-tanany izany. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra mahakasika ity raharaha ity.
#- Analalava. Rongony enina gony sarona, olona roa voasambotra. Rongony 137 kilao, natao anaty gony enina no saron’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ankaramibe, ao amin’ny distrikan’ Analalava, ny faran’ny herinandro teo. Telo lahy izy ireo no nitondra ity rongony ity, saingy tafaporitsaka ny iray nandritra ny fanenjehana. Nopotehina teo anatrehan’ny tomponandraikitra ireo rongony rehefa vita ny fanadihadiana.
nangonin’i m.L