- Publicité -
lundi, mai 12, 2025

Tapatapany

#- Toamasina : Taolan-dava an-jatony hita tao anaty fitoeram-pako. Ny alarobia lasa teo, taolan-dava miisa 134 no hitan’ny fokonolona tao anaty fitoeram-pako iray tao amin’ny fokontany Antanandava, kaominina Toamasina Suburbaine. Nampandrenesina avy hatrany ny zandariamaria tany an-toerana ary nidina ifotony niaraka tamin’ireo mpitsabo mpitsirika sy ny solontenan’ny tomponandraiki-panjakana tao an-toerana. Taorian’ny fitsirihana moa dia nalevina tany an-toerana ihany ireo taolambalo ireto, rehefa fantatra fa tsy nisy trangam-baky fasana teny amin’ny manodidina. Na izany aza anefa dia nisy ny fanadihadiana nosokafana ahafantarana izay ao ambadik’izao raharaha izao.

#- Antsirabe. Tovolahy hita faty. Ny talata lasa teo, tovolahy iray no hita faty tao anaty trano eo an-dalam-panamboarana tao amin’ny kaominina Antanambao, Antsirabe II. Nihantona tamin’ny tady ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity, izay ankevitry ny efa namoy ny ainy herinandro maromaro. Efa simba tanteraka sy tsy nisy namantarana azy intsony mantsy ny razana. Nesorina ary  nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ity farany mba hotsirihina. Misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, entina mamantatra izay antony nahafaty ity tovolahy ity.

#- Manombo Be. Mpitrandraka safira maromaro, tototry ny tany. Nitrangan’ny loza mahatsiravina indray tao Manombobe Ilalaka ny alakamisy teo tao. Mpitrandraka safira 16 lahy indray mantsy no indray nihotsahan’ny tany tao amina toeram-pitrandrahana iray. Nalaky avotra soa aman-tsara ny sivy tamin’izy ireo, raha tavela tao kosa ny fitolahy, ka mbola eo an-dalam-pisokirana ny vatana mangatsiakan’izy ireo ireo tompon’andraikitra any an-toerana hatramin’ny omaly. Ny efatra tamin’izy ireo no voalaza fa efa azo, mbola tsy hita kosa ny telo ambiny. Ny fokonolona sy ireo tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana moa no mifarimbona amin’izany.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici