#- CIM Ambohidahy. Nahazo Lehibe vaovao. Nontontosaina ny alakamisy lasa teo tetsy amin’ny Ivon-toerana misahana ny laharam-pamantaran’ny fiara na ny « Centre Immatriculateur » tetsy Ambohidahy ny famindram-pahefana teo amin’ny Lehiben’izany sampan-draharaha izany teo aloha, izay mpisolo toerana vonjimaika sy ny Lehiben’ny CIM vaovao. Marihana fa efa niverina nisokatra ny alarobia lasa ity ivon-toerana ity saingy mbola « service minimum » no ataon’izy ireo ary ny tapak’andro maraina ihany no miasa. Efa niverina tamin’ny laoniny ny fandraisan’olona etsy Ambohidahy sy ny eny Ankadimbahoaka na dia noferena hoe 50 isan’andro ihany aza ary ao anatin’ny fanajàna ireo fepetra rehetra tsy hiparitahan’ny valan’aretina Covid-19. Ny fizaràna ireo « permis » sy « carte grise » ho an’ireo olona efa nametraka antonta-taratasy tany amin’izy ireo dia fantatra fa hatomboka ny alatsinainy ho avy izao eny amin’ny Galery Alhambra Ankadimbahoaka. Havoaka amin’ny tambazotra sosialy Facebook (Cim Ambohidahy) sy atao petan-drindrina ny anaran’ireo olona tompon’izany
#- Mitsinjo. Zatovo roa maty an-drano tao amin’ny reniranon’i Mahavavy. Tsy fantatra amrina izay tena nitranga ka nahatonga ity loza ity. Tovovavy iray izay mbala tanora tokaoa sy tovolahy no nalaina maty an-drano tao amin’ny reniranon’i Mahavavy, ao amin’ny distrkan’i Mitsinjo, any amin’ny faritra Sofia ny Alarobia lasa teo. Araka ny loharanom-baovao, nitsam bika tao amin’ity renirano ity ity tovovavy ity, izay voialaza fa mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana, izany hoe manomana ny fanadinana bakalorea io andro io. Ny anton y aloha dia tsy fantatra fa rehefa nahatsiaro izy fa hilentika dia niantso vonjy ka nahatonga ity tovolahy iray nitsoraka tao anaty brano mba hamonjy azy. Indrisy anefa fa niara nilentika tany izy roa ary dia tsy nisy avotra.Natao avy hatrany ny fikarohana ka ny hariva ihany dia hita ny vantana mangatsiakan’izy ireo izay efa natolotra ny fianakaviany avy.
#- Jiolahy nitolo-tena. Tao Mitsinjo ihany ity tranga mahatsikaiky ity. Andian-jiolahy maromaro nirongo famaky, antsy ary kobay no nanafika sarety tao anelanelan’i Mitsinjo sy Soalala ny Alarobia lasa teo. Nisy ny fifandonana tamin’ireto jiolahy ireto sy ireo mpandroaka sarety ka naharatrana efatra tamin’ireto farany. Voalaza ihany koa fa nisy roa tamin’ireo mpanafika no naratra teo amin’ny loha. Ny harivan’io ihany anefa dia tonga namonjy dokotera ny iray tamin’ireo jiolahy naratra mba hitsabo tena. Noraisim-potsiny ity farany rehefa tsy maintsy nanambara tamin’ny mpitsabo ny antony nahazoany izany ratra izany. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha ankehiriny.
Nangonin’i m.L / T.M