- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

#- Amboditsiry. Lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona. Lehilahy iray manodidina ny 25 taona no namoy ny ainy, ny harivan’ny alahady teo, tetsy Amboditsiry rehefa nofahon’ny fiara iray izay nandalo. Voalaza fa izy teo am-piampitàna ny arabe no nipoitra tampoka ilay fiara, izay heverina fa tsy sady tsy hitany no tsy nahita azy. Naratra vokatry ny dona nahazo azy ilay tovolahy ary indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, teny an-dalana nitondrana azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.

#- Toliara. May ny biraon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro tany ho any no nahitàna setroka nijolofotra, narahina lelafo avy tao amin’ny trano misy ny sampandraharahan’ny fananan-tany tao Toliara. Niolomay avy hatrany ny rehetra ary efa tonga ara-potoana teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Voalaza araka ny fampitam-baovao azo fa tselatr’afo vokatry ny « court-circuit » no nahatonga ny loza izay niainga avy tao amin’ny tranon’ny mpiambina tany an-toerana. Soa ihany fa nalaky voafehy anefa ny afo ka tsy nihitatra tany amin’ny birao. Tsy nisy arak’izany antonta-taratasy may tao an-toerana. Torak’izay ihany koa, tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici