# – Itaosy. Raikitra ny fifampitifirana. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny zandary teny Itaosy, tamin’ny sabotsy lasa teo.Saika hanafika tao amina trano iray teny Antsahakely ireo olon-dratsy. Nitondra fiara 4X4 izy ireo. Henon’ny tompon-trano ny nahatongavany ka niantso zandary avy hatrany ry zareo. Tsy ela dia tonga ireo mpitandro filaminana. Raha nahatazana izany ny mpandroba dia sahy nifampitifitra tamain’ireo zandary. Nisy voa ny fiaran’izy ireo ka tamin’ny farany lasa nandositra niala ny toerana avy hatrany.
# – Miarinarivo. Mpivaro-mandeha voatafika. Ny sabotsy lasa teo, rehefa avy nivarotra ka hody any Soamahamanina ny mpivarotra iray dia efa nandrasan’ny jiolahy miisa 15 nitondra PA telo tao an-tranony. Tamin’ny 7 ora hariva tamin’izay. Tonga dia voatifitra ilay olona ary voa teo amin’ny kibony. Nosintonin’ireo olon-dratsy ny sakaosy misy vola 10 tapitrisa ariary. Nalain’izy ireo koa ny ordinatera sy ny firavaka volamena. Azony izany dia lasa izy ireo. Rehefa nanao ny fanadiahadiana ny zandary dia fantatra fa nisy enina tamin’ireo jiolahy no voasambotra niaraka tamin’ireo basy telo. Mitohy ny fikarohana ireo namany.
# – Analalava. Zazavavikely 6 taona maty voakapa famaky. Zazavavy kely vao enin-taona monja no fantatra matyvoakapan’ny famaky. Ny marainan’ny 25 aprily teo no nisy lehilahy iray tonga tao amin’ny tombim-paritry ny zandary CR Maromazava nampita ny vaovao. Nidina teny an-toerana ny zandary raha vao nahare ny tatitra, mbola tratra tao an-toerana moa ilay rangahy nahavanon-doza ka avy hatrany dia nosamborina. Ilay zazakely kosa nentina notsaboina tao amin’ny “clinique Don Bosco” Andrevorano. Tsy nahomby anefa ny fitsaboana natao satria roapolo minittra taaorian’ny nahatongavany tao amin’ny hopitaly dia tapitra ny ainy noho ny rà be dia be very taminy.
#- Ampanihy. Dahalo nanakorontana voasambotra.Ny 25 aprily teo, tonga tao amin’ny borigadin’ny zandary ny Ben’ny tanànan’ny Androka nampilaza fa misy lehilahy roa izay voamarika fa dahalo ifampitadiavana manakorontana sy mifanenjika amin’ny antsy ao an-tsena. Raha vao naheno izany moa ny zandary notarihin’ny CB, dia nidina teny an-toerana. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana izy roalahy dia lasa nandositra. Nampitandrina azy ny zandary fa tsy nijanona izy ireo. Tsy maintsy nitifitra ireto zandary, voa teo amin’ny lamosiny ny iray, ny faharoa torana teny am-pandosirana noho ny ratra nahazo azy tamin’ny ady.