#- Roa vavy maty an-drano teny Ambohimangakely. 16 taona ny zokiny ary 13 taona ny zandriny. Namoy ny ainy, raha nilomano tetsy amin’ny reniranon’Ampasimbe, teo amin’ny toerana antsoina hoe Tsitafarany ireto ankizy ireto, ny sabotsy lasa teo. Toerana tsy lavitra loatra ny tetezan’Anketana Ambohimangakely. Niara-nilalao sy nilomano niaraka tamin’ny naman’izy ireo roavavy hafa ireto farany. Tafita soa aman-tsara teny am-pita anefa iretsy naman’izy ireo raha izy roavavy kosa no nilentika. Adim-pamantaranandro iray teo ho eo no nikarohana azy ireo, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Voatery izahay nanafatra ireo mpamonjy avy any an-drenivohitra hanao ny famonjena sy ny fikarohana. Indrisy anefa fa efa vatana mangatsiaka no nampiakarina avy any. Raha ny feo mandeha dia malaza ho masiaka rano sy tsy tia vahiny raha iny reniranon’Ampasimbe iny. Ireto ankizy ireto rahateo tsy avy eo an-toerana, raha ny fantatra. Misokatra ny fanadihadiana.
#- « Bômba » roa tratra teny amin’ny mpidoroka tetsy Andohatapenaka. Nandritry ny fisafoana toy ny mahazatra nataon’ireo pôlisy avy etsy amin’ny CUI avy eo amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna no nifanenan’izy ireo tamina lehilahy iray hafahafa fihetsika ny alahady lasa teo. Nosakanana ary nosavaina teo ho no eo avy hatrany ity farany. Nahitàna fonosan-drongony miisa roa tany aminy, hoy ny fampitam-baovaony polisy. Nentina avy hatrany natao famotorana moa ingahirainy, izay efa fantatra fa mpidoroka ary mety ho mpamatsy rongony eny amin’iny faritra iny. Mandeha ny fanadihadiana.
#- Mbola rongony ihany, tetsy Tsarasaotra indray. Milanja eo 800 grama eo ho eo ity « rarany », nofonosina harona « sachet » tra-tehaka teny amina tovolahy iray ny alahady teo ihany. Ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy indray no nahatratra ity tovolahy ity, izay voalaza fa mbola teo am-pangalàna tsirony teo am-pidorohana. Nosamborina avy hatrany ny anao lahy ary nosavaina dia io nahitàna rongony io. Nentina avy hatrany nihazo ny birao ingahirainy ary nanokafana fanadihadiana. Heverina fa tsy maintsy misy namany any hoy hatrany ny pôlisy. Efa manomboka ny fikarohana.
Nangonin’i m.L