- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

# Mirongatra indary ny halatra takela-by izay misy ny laharan’ny fiara ankehitriny eto an-drenivohitra. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny tena anton’ilay halatra. Ny eritreretin’ny olona saingy mbola tsy misy porofo dia hangalàna ny aluminium izay mandrafitra ny vy amin’izy ireny. Maro ny olona izay nilaza fa efa niverimberan’ny mpangalatra ny takela-by an’ny fiara ary nivadika  tanteraka nampiasa ireny miendrika fitaratra ireny indray mba hialàna amin’izany.

# Trano iray no kilan’ny afo tanteraka ny tapany tetsy Tsiafahy. Raha ny fantatra dia nisy varatra nilatsaka tao ary tena mafy ny fipoahana nandritry ny oram-be omaly hariva. Tsy nisy naratra ny olona tao anatiny fa ny alika mpiandry tanàna kosa no maty. Na teo aza ny oram-be dia mbola tsy nahafaty ny afo izany raha tsy ny mpiara-monina no nifarimbona nifanampy teo.

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici