# Zazakely iray no hita faty tetsy amin’ny elakelan-trano iray teny Ambohitsoa. Ontsa izay nahita satria efa tsy hita intsony ny tapany ambanin’ilay zazakely. Raha ny tombana dia nisy nanary izy io rehefa maty ary avy eo nohanin’ny biby. Toerana be olona ary maro mpandalo ilay toerana, dikan’izany mety ny alim-be no nanariana ilay vatana mangatsiaka.
# Manakorontana tanteraka ny horonam-peo izay misy ny fifampiresahan’i Raissa sy ny mpiandry fonja antsoina hoe sefo Tata. Samy nijapy izany avokoa mba hanaporofoana kolikoly avo lenta, indrindra ny teo anivon’ny mpanohitra. Inona intsony tokoa moa no andrasan’ny Bianco tsy hanokafana fanadihadiana raha nilaza Raissa fa manana ny porofo rehetra? Isan’ny fanontaniana mipetraka izany. Etsy andanin’izany, nosavaina tanteraka Antanimora mba hijerena izay mety ho finday afenin’ny voafonja ao anatiny.
# Mitombo isan’andro ny lavaka eto amin’ny lalan’Antananarivo. Betsaka ny nahatsikaritra fa vao avy kely ny orana dia efa misy lavaka vaovao indray. Isan’ny miteraka lozam-pifamoivoizana sy fitohanana izany satria maro ireo miala lavaka dia mifatratra any amin’ny fiara na olona. Mahatsapa ny mpampiasa làlana fa mbola tsy nisy làlana potika tanteraka toa izao teto an-drenivohitra.
D.R