# Nitolo-tena teny amin’ny polisy ilay talen-tsekoly izay nikasi-tànana mpianatra tao an-dakilasy teny Ivandry. Etsy ankilan’izay, nifanesy nidina ny tompon’andraikitry ny fari-piadidiam-pampianarana eto an-drenivohitra. Mbola nitohy ny fampianarana tao amin’ilay sekoly izay voalaza fa tsara vokatra hatrany hatramin’izay. Efa manomboka ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana momba ity herisetra an-tsekoly ity. Tsiahivina fa “vidéo” izay nalain’ny mpianatra an-tsokosoko no nampipoaka ny raharaha ka nahatohina ny maro.
# Mba nahazo fahafahana nivoaka ny fonja ary nandevina ny zanany lahy ihany i Berija Ravelomanantsoa omaly. Maro ny olona mba niady an’izany tamin’ny tambajotra sosialy ary dia mba mety ho niantefa tany amin’ny tompon’andraikitra ihany ny fangatahana. Raha tsiahivina dia nigadra noho ny heloka tamin’ny tambajotra sosialy i Berija ary tsy nahazo rirany mihitsy tamin’ny raharaham-pitsaràna.
# Miparitaka tanteraka ny gripa sy ny tazo ary betsaka ny miditra hopitaly ankehitriny. Tokony mba misy na ampiana ny fanazavana sy fanentanana mahakasika izany satria raha ny tsikaritra eny rehetra eny dia efa hilaharana indray ny toeram-pivarotana fanafody maro eto an-drenivohitra.
# Fiara iray no nivadibadika tamin’ny lalam-pirenena faharoa. Naratra fa tsy dia naninona loatra ny olona telo tao anatiny. Vokatry ny kodiarana izay sola sy fandehanana mafy no anton’ny loza. Nampiakarina tamin’ny kamiao niakatra aty an-drenivohitra ilay fiara kely ny andron’iny ihany.
D.R