# Niongotra tanteraka ny nofo-peny. Izany no nanjo ny zandary iray izay manao fanamiana ka niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Soanierana ny alin’ny zoma teo. Nifanampy avy hatrany ny olona tamin’ny fitaterana azy teny amin’ny Hjra. Nandeha kodiaran-droa ity mpitandro ny filaminana ity no izao nidiran-doza izao. Araka ny vaovao farany dia fantatra fa namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy tamin’ity loza ity ilay zandary.
# Vehivavy iray izay tratra alina no sady voaendaka no voaolana. Nisy nahazo vidéo ny zava-nitranga ary tsy ela dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Be loatra ny faritra mena eto an-drenivohitra, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.
# Nentin’ny sofera an-tsokosoko tany Antsirabe ny fiara izay an’ny mpampiasa azy. Efa nivadi-po ny tompony ka nametraka fitoriana teny amin’ny BC. Hita tamin’ny Gps fa teny amin’ny RN7, mizotra ho aty an-drenivohitra ny fiara. Nojerena ifotony kinanjo efa nivadika tany an-tanimbary. Naratra tao koa ny mpamily.
# Nanokafana kahie mba hanoratana ny anaran’izay nandray anjara. Tsipaipaika toa izany sisa no mba nahafahan’ny lehilahy iray nitazona aina tamin’ny fitsaviana. Voatafiky ny jiolahy ka naratra mafy izy io tany Kiangara. Efa tena tsy misy intsony ny an-tanàna ary rehefa nanao antso avo dia tonga maro ny tantsaha nanao izay mba ho afany ho fanavotan’aina.
D.R


