# Nampianarina tsy hidaroka sy hampijaly olona ny polisy. Mihodidina amin’izany ny atrikasa izay haharitra telo herinandro etsy amin’ny fitaleavana momba ny fanofanana sy ny fikarohana etsy Antanimora. Ny lehiben’ny samon-draharaha isan-karazany aloha no mandray anjara amin’ity herinandro voalohany ity.
# Behenjy. Rangahy efa lehibe ary tsy ampoizina ho olon-dratsy no nosamborin’ny zandary noho ny famatsiana rongony. Mandritry ny andro tsena ao an-toerana izy no tena manao io fitadiavam-bola io. Isan’ny tena mpanjifa eo aminy ny mpianatra sy ny tanora eo an-toerana.
# Manomboka mihasarotra ny fifehezana ireo olona izay midina an-dalambe mba maneho tsy fifaliana amin’ny Jirama. Ny alin’ny alatsinainy fotsiny no sady nisy tetsy Itaosy, Ankadindramamy, Rocade atsinanana, Ankaditapaka ary tonga hatrany Behoririka. Sahirana ireo mpitandro ny filaminana ary mitady hampiasa hery. Raha mitohitohy amin’izay anefa dia mety vao mainka mirehitra ny afo.
D.R