#Benenitra – Dahalo roa maty tao Mitsinjo. Ny tolakandron’ny 28 aprily teo no nanafika ny dahalo miisa 6 nitondra basim-borona 4 . Tsy niandry ela ny fokonolona tao an-tanàna sy ny zandary fa tonga dia nanao ny fiarovan-tena avy hatrany. Raikitra ny fifanjevoana ka lavo tamin’izany ny dahalo miisa 2 izay efa malaza sy mpanafika any amin’iny faritra iny. Azo ihany koa ny basy roa nentin’izy ireo. Mbola mandeha moa ny famotorana amin’izao fotoana ka hikarohana ireo dahalo 4 lasa nitsoaka
# Maevatanana – lozam-pifamoiovozana, olona 5 naratra. Teny amin’ny lalam-pirenena faha4(RN4-PK243+900) ny 30 aprily teo no niharan-doza ity Mercedes Sprinter koperativa Besady, mampitohy an’i Mahajanga sy Antananarivo . Tsy nisy jiro ity fiara, nefa ny andro mbola maizina satria tany ho any amin’ny 3 ora sy sasany tany ho any. Noho ny haizina dia novoaka ny lalana ity taxi-brousse ka nifatratra tany amin’ny havoana. Olona 5 no naratra mafy vokatr’izany ka nalefa notsaboina tany amin’ny Hopitaly any Maevatanana
# Bekily – Fifamaliana niafara tamin’ny faty olona, raim-pianakaviana roa no nifamaly ka niditra hatramin’ny zanany noho ny disadisam-piarahamonina. Tao anatin’izany no raikitra ny savorovoro ka niafara tamin’ny tsatoka antsy. Maty vokatr’izany ny tovolahy vao 22 taona monja, ary olona telo no efa voasambotra hanaovana famotorana amin’izao.
Nangonin’i Alem



