# – Ampitatafika. Lozam-pifamoivoizana, olona iray maty. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny làlana Ampitatafika mihazo an’Ambodiafontsy ny asabotsy lasa teo. Vokany, olona iray no namoy ny ainy ary telo hafa naratra. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa niala tampoka ny kodiarana ankavia aloha an’ilay fiara 4X4. Vokatr’izany, tsy voafehy intsony ny familiana ary nivadika ilay izy ka teny anaty tanimbary vao tafajanona.
# – Talatamaty. Mpitondra môtô maty nidona tamin’ny pôtô. Omaly tokony ho tany amin’ny 11 ora sy sasany tany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Talatamaty. Tovolahy eo amin’ny 17 taona no fantatra fa namoy ny ainy. Nifatratra tany amin’ny pôtô ny môtô nentiny. Mafy dia mafy ny dona nahazo an’ilay tovolahy. Vaky ny lohany ary dia maty teo no ho eo izy. Ireo nahita dia samy nilaza fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza.
# – Ankadikely. Lehilahy maty kilan’ny afo. Trano iray no nirehitra teny amin’ny tanàna atao hoe Ambanivato amin’ny kaominina Ankadikely ny zoma alina. Vokany, lehilahy lehibe iray 59 taona no maty may kila tao anatiny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efa nijoalajoala ny afo vao hitan’ny manodidina. Io alina io, ity olona ity irery no tao an-trano fa tsy tao ny vady aman-janany. Voalaza moa fa somary efa nahazo kely izy. Jiro narehitra no niandohan’ny fahamaizana.
# – Ankorondrano. Olona niampita voadoanan’ny môtô. Omaly hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora mahery tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny làlana Ankorondrano teo ampitan’ny fivarotan-dasantsy Total. Olona iray hiampita lalana no voadonana môtô. Nipitika ilay olona ary nianjera tamin’ny tany. Ireo nahita dia samy niteny fa nisy taxi-be iray efa nijanona niandry ilay niampita. Ilay môtô kosa anefa, nisosososo hatrany ka izay no nahavoadoana ilay mpandeha an-tongotra.
# – Soarano. Tratra ilay mpanendaka telefôna. Tsy ela fa avy hatrany dia tratran’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray efa tena kinga tokoa amin’ny endaka anaty fiara, indrindra ny telefôna. Teny Soarano no nanaovany ny asany. Ireny fiara mijanona amin’ny lalana mitohana ireny no lasibatra. Nosintoniny ny finday iray ary lasa nandositra izy. Afaka nampandre mpitandro filaminana ny tompony. Nokarohina ilay bandy ary tratra. Rehefa nojerena akaiky, olona vao avy nigadra noho ny endaka izy io. Mbola tany aminy ilay telefôna nangalariny.
nangonin’i r.s.



