# Ambatobe. Sazy mihantona 12 volana. Nivoaka ny didy mikasika ilay fiarana Karana nahafaty olona teny Ambatobe. Voasazy 12 volana, sazy mihantona, sy handoa onitra 20 tapitrisa ariary ny mpamily ilay fiara. Raha tsiahivina fohy dia maty tsy tra-dano ilay tovovavy nodomin’ny fiara tamin’izay fotoana izay. Tsy nanaiky mora ny fianakaviany ary nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana.
# Analakely. Lehilahy iray safotra an-dalana. Ny alahady antoandro, lehilahy iray, ireny tsy mana-trano ipetrahana ireny no safotra teny Analakely. Araka ny vaovao dia vokatry ny hanohanana no nankarary ity olona ity. Nisy niantso ny mpamonjy voina nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Tsy sambany nisy ohatra an’izao manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra.
# RN 2. Potika ilay fiara kely. Maratra mafy ny mpitondra. Ny alahdy lasa teo, nisehoana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faharoa teny Mahazina. Fiara kely iray Clio no nifanehatra tamina “camion”. Vokany naratra mafy ilay ramatoa nitondra ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly hatramin’izao. Ny vaovao no nahalalana fa niezaka nisongona fiara be roa teo alohany ilay “camion”. Tamin’izay no nifanena tamin’ilay fiara kely ary dia izao no vokany.
# Antsohihy. Mpitondra moto maty. Noho ny haratsin’ny lalana, nivarina tany anaty hady lalina ny moto iray nitondra olona roa, vavy sy lahy. Vokany, maty teo no ho eo ilay lehilahy nitondra. Naratra mafy kosa ary mbola tsaboina ilay ramatoa niaraka taminy. Noho ny faharatsian’ny lalana no nahatonga ity loza ity. Ny zoma alina teo no niseho izany tany amin’ny faritra Antsohihy.
nangonin’i r.s.