- Publicité -
samedi, mai 17, 2025

Tapatapany

# – Anosizato. Lehilahy hita faty. Omaly maraina no nahitan’ny olona ny fatin’ity lehilahy iray teo amin’ny toerana malalaka iray teny Anosizato. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa fanaony ny matory eny amin’ny alina miaraka amin’ny namany maromaro. Ireny olona tsy manana trano ireny izy io, araka ny vaovao. Omaly anefa, ireo mpivarotra hani-masaka tsy lavitra teo no nahita azy efa tsy nisy aina intsony. Samy tsy misy mahalala azy ny olona na dia fanaony aza ny matory eny. Tsy nahitana ratra mivantana tamin’ny tenany. Namofona toaka kosa anefa izy. Araka izany, hamamoana no nahafaty azy. Any amin’ny tranompaty HJRA ny razana amin’izao fotoana izao. Lehilahy 50 taona eo ho eo ary mpanao asa antselika sy manasa fiara no fanaony fahavelony.

# – Toamasina- Any am-ponja ilay polisy. Notanana am-ponja vonjimaika ilay polisy fantatra fa nitifitra nahafaty ankizy iray tany Toamasina ny asabotsy lasa teo. Tsy nanaiky mihitsy mantsy ny havan’ilay voatifitra sady nanizingizina fa tsy mpangalatra izany ny zanany. Tamin’io asabotsy io, nihevitra ilay mpitandro filaminana fa handeha hangalatra solika ilay ankizy. Nosamboriny ary dia niafara tamin’ny fitifirana izany. Voalaza fa mamo ilay polisy tamin’io andro io.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser