- Publicité -
lundi, mai 12, 2025

Tapatapany

# -Amboasary. Vehivavy maty voatifitra. Vehivavy iray no maty voatifitry ny mpitandro filaminana tsy nahy tany Amboasary Atsimo. Voakitika tampoka ilay basy ary dia niantefa teny amin’ilay ramatoa.

# – Fandriana. Trano 30 voatafika. Mirongatra ny fanafihan-jiolahy any Fandriana. Andian-jiolahy mitondra basy mandeha moto no nanafika trano miisa 30. Mihorohoro ny mponina. Tonga ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana. Jiolahy roa voatifitra.

# – Analalava. Faty efa simba. Ny lohan’ilay mpiandry omby sisa nahafantarana azy. Lanin’ny biby ny vatany. Tsy mbola fantatra kosa ny antony nahafaty ity olona ity. Tany Bevoay Analalava no nisy izany zavatra izany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser