- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024

Tapatapany

# – Sabotsy Namehana. Fatin-jaza tao anaty rano. Nahitana fatin-jazakely iray tany anaty ranon’Imamba eny Sabotsy Namehana, afak’omaly. Natsingevan’ny rano ilay razana. Niezaka nampiakatra izany teny an-tanety ireo nahita. Rehefa nojerena dia mbola zaza rano ilay izy. Nanombana ny maro fa nesorina tao an-kibo izy io dia natsipy tany anaty rano. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary efa misy ny fanadihadiana atao.

# – Isotry. Mpivarotra anana voaendaka. Vola telo arivo ariary maty indray andro no nangalarin’ny mpanendaka tamina ramatoa iray mpivarotra anana handeha hody teny Isotry ny alarobia teo. Ny tena angano, nodakan-dry zalahy ilay vehivavy ary voa teo amin’ny faritry ny kibony sy ny tànany. Naratra ilay olona ka rehefa azon’ireo olon-dratsy ilay vola kely dia lasa nandeha ry zalahy. Ilay mpivarotra voalaza fa tsy nahatsiaro tena.

# – Ivato. Lehilaly maty voadonan’ny fiara. Lehilahy iray 46 taona no fantatra fa maty voadonan’ny fiara teny amin’ny làlana ho any Ivato ny alarobia hariva tamin’ny 7 ora. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nandeha tamin’ny sisiny ity olona ity. Tsy hitan’ilay mpamily anefa izy. Raha vao niseho ny loza, nandray ny andraikiny ny mpamily ary izy ihany no nitondra ilay niharan-doza tany amin’ny hopitaly. Maty ihany anefa ilay olona.

# – Ambohibao. Vehivavy maty voadonan’ny taxi-be. Omaly hariva tany amin’ny 7 ora tany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambohibao. Vehivavy iray no fantatra fa maty voadonan’ny taxi-be ho any Ambatolampy. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra ny nahatonga ny loza. Ankoatra io ,ramatoa io, nisy ihany koa ny olona maratra ary tsaboina ao amin’ny “urgences” eny Ampefiloha.

# – Alaotra. Mirongatra ny halatra vary. Mirongatra izay tsy izy ny halatra vary eny an-tanimbary amin’izao fotoana fiakaran’ny vokatra izao any amin’ny faritra Alaotra. Efa samy mailo avokoa ny rehetra eo anoloan’izany, ka tsy misy intsony ireo manatonta any an-tsaha fa raha vao avy jinjaina dia entina mody na velesina eo no ho eo. Amin’ny alina no tonga ny mpangalatra ary majifa izay sendra an-dry zalahy.

# – Toamasina. Kidnapping. Tsy mbola hita ilay sinoa. Ny vaovao fantatra avy any Toamasina no ahafahana milaza fa tsy mbola misy mangirana ny mikasika ilay fangalana ankeriny Sinoa iray tany Toamasina andro maro lasa izao. Mifamahofaho be ihany ny vaovao voaray, fa volabe tokoa no angatahan’ireo jiolahy. Tsy nandrenesam-peo aloha ny avy amin’ny fianakaviana sy ny avy amin’ireo mpaka an-keriny. Etsy andaniny, tsy manana vaovao koa ny mpitandro filaminana.

nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser