#Sabotsy-Namehana. Hain-trano vokatry ny afon-tsaribao. Ny asabotsy maraina teo no lehilahy iray mipetra-drery no may trano vokatry ny afon-tsaribao tsy voavono tao an-trano, ny lakozia no nirehitra tamin’izany ka namotika ny fitaovana rehetra tao anatiny, ary nahazo ny tanan-drihana ka nahazo ny efitra fatoriana ka lasa lavenona avokoa ny fitafiana rehetra tao . Tsy tao an-trano moa ny tovolahy tamin’ny nisehoan’ny voina
# Ankadivoribe. Vaky trano nampiasana fonoka. Ny zoma alina tao Antanety no nisehoan’izany. Tany ambany rihana ireto jiolahy no niditra ary tsy naheno na inona ireto tompon-trano tamin’izany, nesoriny ny aro vy ary nopitsohany ny varavarana avy eo; very tamin’izany moa ny solosaina ,onduleur ary ny vilany cocotte telo ka ny maraina vao taitra ny tao an-trano.
# Vatomandry. Vola sandoka 10 tapitrisa Ar tratra. Ny zoma teo no nahasaronan’ny zandary tany Vatomandry vola 10 tapitrisa ariary izay marihina fa saika hividianana vokatra tany ambanivohitra. Nisy dimy arivo si iray alina ariary izy ireo tamin’izany. Ary olona roa no efa voasambotra tamin’izany ka hanaovana ny fanadihadiana.
# Andranonahoatra. Baché tapaka fanisatra, nifandona tamin’ny kamiao. Fiara 404 baché iray tapaka tsindry hisatra no nifatratra tany amin’ny kamiao ny alahady hariva teo. Olona iray mpandeha an-tongotra no voafaoka ka naratra tamin’izany ary efa nalefa notsaboina haingana any amin’ny hopitaly.
Nangonin’I Alem