# Ankazobe. Olona 2 maty tamin’ny fiara roa nifandoana. Ny alahady antoandro teo, tao Tampoketsa Ankazobe RN4(PK115+125), no nifandona ity Minibus Toyota nitondra sinoa maromaro ka nifandona tamin’ny fiara 4×4 Nissan Patrol. Maty vokatr’izany ny mpamily 33 taona sy ny sinoa iray 41 taona ary niampy olona 4 naratra mafy. Tonga dia nalefa haingana any amin’ny hopitaly ireto farany. Efa nampandrenesina ihany koa ny Ambasadaoron’i Chine eto amintsika.
# Vatomandry. Mpitaigina moto maty nianjera. Ny 9 may lasa teo, teny akaikin’ny trano fonenan’ny sefo distrika, no nianjera ity moto nanao taingin-droa izay nitondra vehivavy tao aoriana. Nandona mpandeha an-tongotra izy ireo tamin’izany. Ratsy fianjera ilay vehivavy tamin’izany ka ny lohany no nitontona mialoha ary nitarika ny fahafatesany. Ireo roa naratra kosa dia efa nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly.
# Miandrivazo. Dahalo niveri-maina. Ny10 may lasa teo, tao amin’ny tanàn’Analamaizina, dia dahalo 6 mirongo basy sy sabatra no nandroba omby miisa 13. Avy hatrany dia nihetsika nanara-dia ny zandary sy ny fokonolona niaraka amin’ny polisy 4 , tsy lasa lavitra ireto dahalo dia efa tratra ka nandeha ny fifampitifirana. Tsy naharesy tosika ireto dahalo ka lasa nitsoaka ary niverina tamin’ny tompony daholo ny omby . Tsy nisy kosa ny naratra sy ny maty.
# Fandriampahalemana. Zandary 150 nalefa any Atsimo. Taorian’ny zavatra nitranga tany amin’ny Faritra Anosy, nanapa-kevitra ny avy ao amin’ny zandariamariam-pirenena fa handefa mpitandro filaminana 150 hanampy ireo izay efa any an-toerana. Tato ho ato dia mahery vaika tokoa ny fanafihan-dahalo. Tsy halatra omby fotsiny fa eo ihany koa ny fandorana tanàna sy fankana an-keriny.
Nangonin’i Alem