- Publicité -
mardi, mai 20, 2025

Tapatapany

# Sambava. Bolabolan’andramena 16 tratra tao anaty kamiao. Ny alin’ny alahady teo tany amin’ny misasak ‘alina tany ho any, tany Bemanevika, no tratran’ny zandary mpisava ity lehilahy iray nitondra kamiao Mercedes nitondra bolabolan’andramena miisa 16 . Teo am-pampidinana ireo andramena ireo nefa dia nitsoaka ity lehilahy mpamily. Efa azon’ny zandary daholo anefa ny mombamomba azy, ary dia efa eo am-panaovana ny fanadihadiana sy ny fitadiavana azy izao ny zandary any an-toerana

# Antsirabe. Fiara nivadika naharatrana olona 2. Ny sabotsy lasa teo no nisehoan’izany tao Antsampanimahazo RN7(PK136+50), fiara mini-bus Toyota avy any Antsirabe niakatra aty Antananarivo no nivadika ambony ambany. Potika tanteraka ny fiara ary olona 2 no naratra mafy. Efa nalefa notsaboina eny amin’ny FLM Antsirabe moa ireto naratra ireto.

# By-Pass. Moto sy fiara nifandoana : olona 1 naratra mafy. Ny alahady lasa teo tokony tamin’iray ora sy sasany antoandro, PK5+680 teo Ankadiaivo, no nifandona ny moto Kinlon sy ny fiara Mercedes iray izay ho any Iavoloha. Naratra mafy tamin’izany ilay mpitaingina moto sady simba ihany koa ilay fiara nifandona taminy. Efa nalefa any amin’ny HJRA moa ilay naratra nanaraka ny fitsaboana.

Nangonin’i Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser