# – Fitsarana. Anio no hohenoina ireo mpanao bizina basy. Tsy tanteraka omaly ny fihainoin’ny tao amin’ny Fampanoavana ireo olona efatra voarohirohy tamin’ny trafika basy an-jatony tany Toamasina. Noho ny hamaroan’ny taratasy eo am-pelatanan’ny mpitsara dia anio ireo olona ireo vao horaisin’ny mpitsara.
# – Ambohimalaza. Ramatoa maty nianjera. Tsy fantatra izay nahazo ity vehivavy iray handeha hody any an-tranony fa nianjera tany anaty hady izy. Avy niantsena ity olona ity, araka ny vaovao voaray. Efa tsy lavitra ny tranony intsony no nianjera izy. Torana ilay olona vokatr’izany. Novonjena nentina taty amin’ny hopitaly HJRA. Na dia natao aza ny famelomana aina, tsy tana ihany ny ainy.
# -Arivonimamo. Basy tratra. Nisy basy tratra indray tnay amin’ny faritra Arivonimamo, omaly. Nifamahovao hatrany ny vaovao voaray. Nisy ny nilaza fa telo ny ian’ny basy natao tao anaty gony. Ny loharanom-baovao hafa niteny fa basy iray ihany niaraka tamina moto. Nisy ny olona efa notanan’ny mpitandro filaminana.
#- Andravoahangy. Avy niasa voaendaka. Omaly tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo, vehivavy iray avy niasa no nifanehitra tamin’ny mpanendaka. Nambanany antsy teo amin’ny tendany ity olona ity ary nalainy ny poketrany. Telefonina, chèque ary CIN no tao niampy vola. Rehefa azon’ilay bandy ireo dia lasa nandositra izy. Mbola be olona ilay toerana tamin’io fotoana io. nandositra ilay jiolahy raha vao azony ireo zavatra ireo. Ny vaovao fantatra, fanindroany ity vehivavy ity no voaendaka tamin’io toerana io.
# -Antsohihy. Filaharam-be hanalana ny procureur. Ny 3 may lasa teo no nitokona sy nandeha nanerana ny tanàna ireto mpanao fihetsiketsehana teo amin’ny 150 olona teo, izay milanja sora-baventy hanalana ny procureur. Izay vokatry ny kolikoly sy mitaky ny hanasorana ireo tera-tany vahiny any an-toerana.
# – Port-Berger. Fiara niala lalàna olona 5 naratra. Ny alatsinainy lasa teo tany Marosely RN6 (PK134+900) no nisy fiara Taxi-be Sprinter iray ho any Ambanja, sendra ny olana ara-teknika ka nifatratra tany amin’ny dongona manamorona ny arabe. Olona 5 tao anatin’io fiara io no naratra tamin’izany ka efa nalefa notsaboina tao amin’ny Hopitaly tao Ambanja.
# – Toliara. Lehilahy maty voahitsaky ny fiara.Ny 2 may teo tao Andranovory (PK.859+400) no nisy fiara Mercedes iray izay mbola mitarika (remorque) nanitsaka ity lehilahy iray 37 taona. Maty avy hatrany ity lehilahy izay mipetraka eo an-tanàna ihany ka nomena ny havany avy hatrany.
Nangonin’i Alem/Andry N.