- Publicité -
jeudi, décembre 25, 2025

Tapatapany

# – Amparafaravola. Zandary naiditra am-ponja. Tsy nanaiky ireo ao amin’ny fikambanana beantitra any Amparafaravola fa notorian’izy ireo ny zandary iray efa misotro ronona. Lanin’ity farany avokoa mantsy ny volan’ny fikambanana mitentina 1 tapitrisa ariary. Ilay mpitandro filaminana moa no mpitahiry vola. Rehefa nentina teny amin’ny fitsarana ny raharaha dia naiditra am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity.

#-Befandriana-Sud. Dahalo iray maty voatifitra. Ny 4 jiona teo no nanafika tao Andrenalabo ireto dahalo miisa 6 izay nirongo basim-borona 2 saika hangalatra omby tao anaty vala an’ny fianakaviana iray tao an-tanàna.Teo am-pamahana ny vavahady anefa no nitifitra ny tompon’omby ka lavon’ny bala ny iray fa ny ambiny kosa lasa nitsoaka nandositra.

Nangonin’i Alem/ Janus

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser