- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -

Tapatapany

Mananjary

# Trano 30 tafo rotiky ny afo. Ny 7 jiona teo no nitrangana hain-trano goavana tao Vohilava Mananjary, ka tranon’olon-tsotra miisa 30 tafo no kila forehitra. Ankoatra an’ireo dia may tao ihany koa ny magazay fitahirizana vary, izay nisy vary 24t, tranom-barotra 2, fivarotan-damba 5, biraon’ny fokontany tany an-toerana, ny biraon’ny Tiavo ary ny fitehirizana entana an’ny orin’asa Adra. Tsy fantatra marina izay nahatonga ny afo.

Mananara-Avaratra

# Sambo nitondra andramena rendrika. Ny 23 may teo no rendrika tao anelanelan’i Maroantsetra sy Mananara-Avaratra ity sambo iray « Al madra ». Olona 6 no tao anatiny ka mbola tsy hita hatramin’izao. Araka ny vaovao tany an-toerana dia nitondra andramena ity sambo ity izao rendrika izao.

Nangonin’i Alem

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser