- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025

Tapatapany

Toamasina

# Trano 5 may , olona maro naratra. Ny 21 jiona teo dia nitrangana hain-trano tao Tanamakoa. Tsy fantatra marina ny antony nahatonga ny firehetana fa dia nahery vaika tokoa, ka tokantrano miisa 5 no kila forehitra, ary olona 19 no naratra vokatry ny afo.Niteti-bidy tany amin’ny 223 000Ar kosa ny entana may.

Nossy-be

# Vehivavy réuonaise tratra nitondra rivotril. Ny alahady teo tao amin’ny aéroport Nosy-be no nanao fisavana ny entan’ny mpandeha ny polisin’ny seranam-piaramanidina ka vehivavy réuonaise iray no nahatratrarana fanafody “rivotril” tany amin’ny 5350 pilina tany ho any. Tonga dia notazomina avy hatrany hanaovana fanadihadiana ity vehivavy teratany vahiny ity. Marihina fa fanafody azo atao solona zava-mahadomelina izy ity.

Miandrivazo

# Dahalo nanafika olona, 1 maty, omby 100 very. Ny 21 jiona teo no nanafika tao Miandrivazo ny dahalo mirongo basim-borona sy zava-maranitra. Vao tafiditra ny tanàna izy ireo dia nanao tifitra variraraka ka maty tamin’izany ny mpandraoka omby 1 ary voaroba tamin’izany ny omby miisa 100. Marihina fa omby avy any Miandrivazo hamidy any Mandoto izy ireto.

Nangonin’i Alem

# – Mahanoro. Fiaramanidina nianjera. Tamin’ny zoma lasa teo, nisy fiaramanidina kely iray nianjera tany akaikin’i Mahanoro. Ny voavao voaray avy any an-toerana no nahalalana fa toa nisy fahasimbana ilay izy. Hita ho nivadibadika teny ambony teny, avy eo nidona tamina vato ary nianjera. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa olona roa no tao anatiny. Vazaha no nanamory ilay fiaramanidina; Naratra io farany io.

# – Andraisoro. Lehilahy iray efa maratra mafy sy miala aina no nisy nanatitra tao an-tranony. Nandodona ilay olona dia napetrany teo fotsiny ilay naratra. Rehefa nentina teny amin’ny hopitaly dia namoy ny ainy ihany ilay naratra.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser