- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# Raim-pianakaviana iray 54 taona no hita faty teny Ambohijatovo, fokontanin’i Tsarahonenana-Anosiala ny alin’ny zoma teo. Hanoanana hatreto no vinavinan’ny mpitsabo, ny amin’ny antony nahafaty azy.

# Dimilahy nosamborin’ny zandary tetsy Ambohimangakely. Ny antony dia voarohirohy tamin’ny halatra scooter, fahitalavitra, solosaina, finday ary kojakojan-tokantrano izy ireo ny marainan’ny asabotsy teo.

# Nifandona ny môtô sy ny fiara tetsy Anosiala-Ambohidratrimo. Naratra mafy vokatr’izany ny mpitondra môtô iray. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ao an-toerana ny tenany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser